
Ny hanampy ny tanora avy amin'ny tontolo ambanivohitra hivoatra amin'ny lafiny rehetra no tanjonay.
Resy lahatra izahay fa ny olona rehetra dia tokony hahalala sy hahafantatra izay mety ho lalam-pivoarana sahaza azy, tsy miankina amin'ny toerana nihaviany na onenany. Izany indrindra no mahatonga ny Mamelasoa High School hikatsaka mandrankariva ny hanabe ny tanora ao amin'ny Kaominina Ambatofotsy Gara, ary irariana ny hiitarany any amin'ny toerana ambanivohitra rehetra eto Madagasikara.
Non-Profit High School: Tanjon'ny Mamelasoa ho an'ny fampianarana tsara kalitao
Vina




Fampianarana tenim-pirenena samihafa
Siansa
Antoka iray lehibe iankinan'ny fahitana asa amin'izao vanin'andro anio izao ny fahaizana mikirakira solosaina. Irianay koa ny hampianatra informatique ny tanora ao amin'ny Commune Rurale Ambatofotsy Gare amin'ny alalan'ny Mamelasoa High School. Raha liana amin'izay vina izay ianao dia tsindrio ny rohy.
Computer lab
Izahay dia matoky fa antoky ny fandrosoana ny siansa. Amin'izao fotoana izao anefa dia mbola Serie Litteraire ihany aloha no azo arahana ao amin'ny Mamelasoa High School. Irinay kosa ny hisian'ny ny Serie Scientifique ao amin'ny sekoly mba ahafahan'ny ankizy te-hanao Siansa misafidy izany lalam-piofanana izany. Raha mila fanazavana fanampiny momba izany ianao dia tsindrio ny rohy.


Antontam-baovao
Ny taom-pianarana 2024-2025 dia nanomboka tamin'ny 10 Septambra 2024 ary hifarana ny 26 Jona 2025.
14/03/2023
Tonga nitsidika ny Mamelasoa High School i Andriamatoa Silasy, solontena avy ao amin'ny Teachers'Resources Center (TRC)-DREN Analamanga ny 14 Martsa 2023. Nanazavazava momba ny TRC moa izy ary tonga nanokatra ny fiaraha-miasa eo amin'ny TRC sy Mamelasoa English School.
03/08/2023
Nitsidika ny TRC-DREN Analamanga ny English Club Mamelasoa ny Alakamisy fahatelon'ny volana Aogositra 2023.
Ho hitanao ato ny andinindininy momba izay here.
15/07/2023
Mpianatra miisa 68 tamin'ny 75 no afaka fanadinana BEPC soa aman-tsara.
20/08/2023
Mpianatra 53 amin'ny 141 nanala fanadinana Baccalaureat no afaka tao amin'ny Mamelasoa High School.
Ankehitriny dia efa manana rano fisotro mandio ny Mamelasoa High School.
01/02/2024


